Nampiasa ny lasitra Tarski tao faha 1.1.3 nataon'i Benedict Eastaugh sy Chris Johnson aho tao amin'ny blaogiko. Marihina fa WordPress MU no motera mitondra io blaogy io. Taty aoriana kely dia nasiako an'ity widget atao hoe Recent Posts ity koa izy, izy io dia mametraka rohy ahitana ireo lahatsoratra 5 (afaka ovaina) farany nivoaka teo amin'ny blaogiko.

Raha vao nametraka an'io widget io anefa aho dia lasa nisy nampihomehy ny blaogy satria rehefa misy olona mametraka fanamarihana amin'ny hevitra nivoaka farany indrindra, dia tsy tafaraka amin'iny lahatsoratra iny ilay fanamarihana fa miditra any amina lahatsoratra hafa izay efa niseho taloha. Rehefa tena nodinihina, dia raha toa misy rohy 5 miseho ao amin'ny Recent Posts, dia ilay lahatsoratra fahadimy farany no andehanan'ireo fanamarihana. Raha ny fanazavana azo omena, ho ahy tsy nandinika ny fango nanoratana ireo tovana sy ny moteran'ity blaogy ity, dia angamba misy fitadidiana ny laharan'ny lahatsoratra ao anatin'ny fango ao voaovan'ity Recent Posts ity, ka izay no mahatonga ilay fisavoritahana.

Nony nesorina ilay widget Recent Posts dia nilamina ny raharaha. Saika hapetrako amin'ny fiteny vahiny ity fa saingy tsy haiko na azo ametrahana fiteny vahiny ny blaogy.com na tsia, dia nataoko tamin'ny fiteny malagasy ihany aloha.