Tsy tokony hatao bambaray be fotsiny hoe "Namana Serasera.org - Malagasy mifandray - Tsiky dia ampy" ny ao anatin'ny kialo title.
  • Taranja: XHTML
  • Voakasika: serasera.org, blaogy.com,
  • Votoatiny: Tolokevitra ho fampiasàna ny kialo title ho metimety kokoa

Maromaro ireo kialo amin'ny fiteny HTML izay takian'ny validator ny fisiany. Iray amin'ireny ny kialo <title>, ka raha tsy misy an'io ao anatin'ny kialo <head> amin'ny pejy XHTML anankiray dia hotaterin'ny validator fa tsi-fetezana izany. Ny tsara ho fantatry ny webmestre anefa, dia tsy hoe ahoana no hatao mba hahatonga ny pejy iray ho tafita amin'ny validation, fa ny hoe: fa nahoana ny kialo title no tsy maintsy misy.

Inona avy ary aloha no ampiasana ny ao anatin'ny kialo title?

  • Miseho amin'ny lohatenin'ny navigateur izy, izany hoe amin'ny barre de titre. Araka izany dia maro ny tranga isehoany :
    • Rehefa mampiasa ny touches Alt+Tab ianao hiova fenêtre, ka mandalo eo @ icône-n'ny navigateur ny selection, dia miseho eo ambany kosa io title io.
    • Ery @ barre des tâches ery koa dia misy ny fenêtres misokatra rehetra ary raha ajanona maharitra kely eo ambonin'ny titre-n'ny fenêtre anankiray ny curseur, dia miseho @ tooltip eo koa io title io.
  • Ao anatin'ny navigateur kosa indray, rehefa manindry ilay flèche kely eo akaikin'ny bokotra Précédent sy Suivant ianao, ka miseho ny lisitr'ireo pejy notsidihana, dia ny title no ahafantarana izany pejy tsirairay izany.
  • Rehefa mampiasa bookmark ihany koa ny mpitsidika dia ny title no misoratra eo amin'ny menu misy ilay pejy natao bookmark
  • Ilain'ny moteur de recherche sy rôbô maro koa ny title, ary indrindra ny fitaovana toy ny del.icio.us. Amin'ny Google ohatra dia mivandravandra indrindra ny lohatenin'ny pejy koa mahasarika ny mpikaroka sehatra hitsidika ny takelakao kokoa ny fahitany fa mifanaraka tokoa amin'ny zavatra karohiny ny lohatenin'ny pejy anankiray.

Azonao sary an-tsaina avy hatrany ary fa matoa natao hoe tsy maintsy misy ary tsy maintsy fenoina ny kialo title, dia satria anisan'ny singa manan-danja indrindra amin'ny pejy HTML tsara kalitao izy. Saingy eo amin'ilay resaka bokotra Précédent sy Suivant, ary del.icio.us kosa, dia tsy ampy hoe eo fotsiny io kialo io, fa mila tena mahafeno ny fepetra maha-lohateny azy marina tokoa, izany hoe tena mahafehy ny votoatin'ny pejy.

Io no zavatra iray hokianiko eto amin'ny serasera.org androany: Ny kialo title amin'ny sehatra rehetra eto @ serasera.org dia tsy mamintina velively izay votoatin'ny pejy fa milaza mombamomba ny sehatra iray manontolo fotsiny. Ilay hoe Namana Serasera.org - Malagasy mifandray - Tsiky dia ampy amin'ny pejy rehetra jerena dia tsy mahafehy ny atao hoe pejy tsara kalitao. Raha ohatra izao ny mpitsidika anankiray namaky pejy maromaro tao amin'ny sehatra, ary te-hiverina hijery ny anankiray tamin'ireo pejy rehetra efa nojineriny teo aloha, dia tokony hoe mampiasa ny bokotra Précédent izy (tsy ny bokotra précédent fa ilay flèche kely midina eo akaikiny, izay manome ny anaran'ireo pejy efa nojerena). Raha toa ka mba nanana lohateny mahafintina ny votoatin'ny pejy tsirairay, izany hoe lohateny samihafa isaky ny pejy, dia ho mora kokoa amin'ny mpitsidika ny mahita hoe ity izany ilay pejy tiako hiverenana hojerena.

Afaka fintinina toy izao ny fitsipika hisafidianana ny votoatin'ny kialo title :

  • mahafintina ny votoatin'ny pejy
  • samy manana ny azy ny pejy tsirairay, izany hoe toy ny karapanondro ka ny pejy roa samy hafa dia tokony hanana title roa samy hafa
  • Tsy fohy loatra ary tsy lava loatra: Eo @ litera 60 isa eo farafahabetsany.
  • Ny fampahalalana momba ny sehatra dia tsara raha apetraka ho tovan'ny title, izany hoe: <title>Aiza leisy no misy windev? :: Dinika Serasera.org</title> ohatra dia lohateny anankiray tsara.

Ho an'ny forum sy ny blog izany dia azo atao tsara ny mametraka ny lohatenin'ny lahatsoratra eny amin'ny kialo title. Ho an'ny tononkalo sy ny tononkira dia ny lohatenin'ny tononkalo sy ny tononkira koa dia efa mety tsara. Raha ohatra moa ka misy asa manokana atao momba ilay pejy, ohatra hoe fanovàna ny votoatiny, dia tovanana araka izany io title io. Ohatra : <title>Aiza leisy no misy windev? :: Valin'ny dinika :: serasera.org forum</title>