Nampiasa ny lasitra Tarski tao faha 1.1.3 nataon'i Benedict Eastaugh sy Chris Johnson aho tao amin'ny blaogiko. Marihina fa WordPress MU no motera mitondra io blaogy io. Taty aoriana kely dia nasiako an'ity widget atao hoe Recent Posts ity koa izy, izy io dia mametraka rohy ahitana ireo lahatsoratra 5 (afaka ovaina) farany nivoaka teo amin'ny blaogiko.

Raha vao nametraka an'io widget io anefa aho dia lasa nisy nampihomehy ny blaogy satria rehefa misy olona mametraka fanamarihana amin'ny hevitra nivoaka farany indrindra, dia tsy tafaraka amin'iny lahatsoratra iny ilay fanamarihana fa miditra any amina lahatsoratra hafa izay efa niseho taloha. Rehefa tena nodinihina, dia raha toa misy rohy 5 miseho ao amin'ny Recent Posts, dia ilay lahatsoratra fahadimy farany no andehanan'ireo fanamarihana. Raha ny fanazavana azo omena, ho ahy tsy nandinika ny fango nanoratana ireo tovana sy ny moteran'ity blaogy ity, dia angamba misy fitadidiana ny laharan'ny lahatsoratra ao anatin'ny fango ao voaovan'ity Recent Posts ity, ka izay no mahatonga ilay fisavoritahana.

Nony nesorina ilay widget Recent Posts dia nilamina ny raharaha. Saika hapetrako amin'ny fiteny vahiny ity fa saingy tsy haiko na azo ametrahana fiteny vahiny ny blaogy.com na tsia, dia nataoko tamin'ny fiteny malagasy ihany aloha.

  • Taranja: HTML
  • Voakasika: blaogy.com,
  • Votoatiny: Mpametraka fanamarihana tsy manana tranonkala.

Rehefa mametraka fanamarihana amin'ny blaogy dia misy toerana ahafahana mametraka ny tranonkalany eo. Iny avy eo no lasa rohy eo ambanin'ny solonanaran'ilay nametraka fanamarihana. Azo tsy fenoina izy iny, satria misy ny olona tsy manana tranonkala. Rehefa tsy feno anefa iny, dia mbola eo ihany ilay rohy hoe "visit dotmg", ary ny fango HTML miaraka amin'izay dia hoe <a href="">visit dotmg</a>, hany ka lasa manondro an'ilay pejy vakiana iny ihany io rohy io.

Tokony tsy atao rohy izany io solonanarana io rehefa tsy nanoratra tranonkala ilay mpametraka fanamarihana, fa tokony hijanona ho soratra fotsiny.

Ohatra: Jereo ny rohy hoe "Visit ikalamako" sy hoe "Visit ikaretsaka" amin'ity pejy ity: http://hery.blaogy.com/post/4/2641

An Internet service cannot be considered truly successful until it has attracted spammers.

Dia indrisy fa efa feno SPAM koa izany izao ny blaogy.com

 

  • Taranja: HTML
  • Voakasika: blaogy.com,
  • Votoatiny: Tsy mila fanamarihana.

Rehefa nisafidy ny tsy hametrahan'ny mpitsidika fanamarihana amin'ny pejy ny tompon'ny blaogy anankiray, dia manjavona ilay form ahafahana mametraka fanamarihana iny. Saingy mbola miseho eo amin'ny pejy kosa ny hoe hametraka hevitra (0) sy ny teny hoe Leave a Reply. Mety hamitaka ny mpamaky ny blaogy iny ka tokony hosoloana soratra toy ny hoe "Tsy maniry hametrahana fanamarihana". Tamin'izaho vao nanomboka nitsidika ny blaogy.com tokoa dia nisy lahatsoratra lavalava izay tena nahaliana ahy tokoa ary saika hametraka fanamarihana aho mba hahafahako mifandray amin'ilay mpanoratra. Noheveriko hoe tsy vita hatramin'ny farany ny chargement-n'ilay pejy no naha-tsy teo an'ilay form, dia nanandrana nanao Reload efa ho in-telo aho. Indrisy, ... hay nosakanan'ilay mpanoratra mihitsy ny fanamarihana ao amin'ny blaoginy.

Asa, mety ny lasitra (template) sasantsasany angamba no voakasik'io fa tsy ny blaogy rehetra, fa ny anankiray hitako aloha dia ny lasitra ampiasain'i Soanja.

Tsy tokony hatao bambaray be fotsiny hoe "Namana Serasera.org - Malagasy mifandray - Tsiky dia ampy" ny ao anatin'ny kialo title. (tohiny)