24 Jolay, 2008 07:30
Watch if ... tsy miblagy aho fa mibaogy ny blaogy.org
Nampidirin'i dotmg, Sokajy [ Ankapobeny ][ (12) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Nampiasa ny lasitra Tarski tao faha 1.1.3 nataon'i Benedict Eastaugh sy Chris Johnson aho tao amin'ny blaogiko. Marihina fa WordPress MU no motera mitondra io blaogy io. Taty aoriana kely dia nasiako an'ity widget atao hoe Recent Posts ity koa izy, izy io dia mametraka rohy ahitana ireo lahatsoratra 5 (afaka ovaina) farany nivoaka teo amin'ny blaogiko.
Raha vao nametraka an'io widget io anefa aho dia lasa nisy nampihomehy ny blaogy satria rehefa misy olona mametraka fanamarihana amin'ny hevitra nivoaka farany indrindra, dia tsy tafaraka amin'iny lahatsoratra iny ilay fanamarihana fa miditra any amina lahatsoratra hafa izay efa niseho taloha. Rehefa tena nodinihina, dia raha toa misy rohy 5 miseho ao amin'ny Recent Posts, dia ilay lahatsoratra fahadimy farany no andehanan'ireo fanamarihana. Raha ny fanazavana azo omena, ho ahy tsy nandinika ny fango nanoratana ireo tovana sy ny moteran'ity blaogy ity, dia angamba misy fitadidiana ny laharan'ny lahatsoratra ao anatin'ny fango ao voaovan'ity Recent Posts ity, ka izay no mahatonga ilay fisavoritahana.
Nony nesorina ilay widget Recent Posts dia nilamina ny raharaha. Saika hapetrako amin'ny fiteny vahiny ity fa saingy tsy haiko na azo ametrahana fiteny vahiny ny blaogy.com na tsia, dia nataoko tamin'ny fiteny malagasy ihany aloha.





24/07/2008, 11:02
izao teny gasy izao izy mazava tsara satria dia nanontany tena ihany aho hoe inona ny hidiran'ny hevitro any amin'io lahatsoratra io ? (sa mifandiso toa ny adiresy mail-ko sy ny ps-ko ? kay nataon'ny olona dia fôtôfamm angamba - lol
24/07/2008, 11:03
izany hoe ity blaogy "watch if" ity izany rehefa atao bango tokana dia toy ny kontrôlera !
24/07/2008, 14:44
DotMG> Taorian'ilay nanavaozana ny blaogy.org ve no nametrahana an'ilay Widget sa efa talohany? Raha toa ka talohany dia avereno ampidirina indray hoe raha mety. Hofafaiko ny cache.
Misaotra
24/07/2008, 15:04
@Hery, toa taoriany angamba satria vao tsy nety ilay izy dia noheveriko noho ilay fanavaozana no nahatonga ny olana, haveriko hapetraka io widget io rahampitso maraina dia hanandrana kely ao aho hahitana azy. Nefa koa mety ho niara-nipetraka tamin'ilay fanavaozana satria tamin'izaho nametraka an'io widget io, indraindray ilay izy miseho (ilay menu any @ config) dia indraindray tsy miseho, tamin'izany. Misaotra mialoha.
24/07/2008, 19:12
inona no dikan'ilay fango aloha e?
24/07/2008, 20:28
script?
Hay ve izay no olana tao e. hi hi hi
24/07/2008, 20:47
Tsy afaka mametraka google adsense koa ianao fa efa nisy naka ny fametrahana io ary tsy azo atao inon'inona mihitsy (grisé) !!!
Tsy afaka mametraka karazan-javatra kely toy ny famataranandro koa ohatra, faran'izay kely sady mahafatifaty !!!
Tsy afaka atao inon'inona mihitsy ity blaogy.com ity fa manomboka manorisory !!!! Sasatra ny mametraka anaty BODY aho fa dia tsy hita fa ary amin'ny HEAD ihany ilay izy no mitsondratsondrana rehefa alefa ny fanovana. Nefa ny Fanoroana napetraka anefany tsy misy araka izay ilaina.
Akory hatao hoy Rasaraka fa lany aiky aho ?
25/07/2008, 06:57
simp, pissoa> Toa code no dikan'ny fango, amin'ny resaka codage.
makaleo> aza mora leo eo moa e! Asaintsika mamerim-bola i Sefo raha vao tsy alaminy io.
25/07/2008, 10:23
Mankaleo> :-) Tsy azo atao daholo ireo nokasainao hatao ireo :-)
Sao dia misy zavatra azo atao tsy mbola nataonao?
:-) de amp
25/07/2008, 10:30
Tena tsy mety ilay izy raha vao asiana an'ilay widget RecentPosts e! Angamba misy raha tsy compatible amin'ilay lasitra Tarski mihitsy ao. Ny zava-dehibe aloha dia hita ny olana, ary azo ialàna dia efa afaka mi :-) amin'izay.
29/07/2008, 09:25
Gravy be ny ahy fa misy post izay, @ izao fotoana izao moa rehefa misy mametraka hafatra dia "tsy mety mandeha" intsony ilay mail tonga, kay nisy sinoa nametraka hafatra efa elaela tao ary ny olana dia teny sinoa vary raraka no nosoratany (tsy haiko ny mamaky azy akory ary) ary indd nasiany liens BDB mankany amin'ny sites porno !!!! Nefa anie efa tsy no-cocher-ko ilay hoe "fampidirana verin-drohy" e ! Ahoana indray ny amin'io mampiditra liens tsy voasakana io ?
31/07/2008, 12:00
mi-boguer ity post ity izany