28 Febroary, 2007 14:08
One response to ARTICLE_X
Nampidirin'i dotmg, Sokajy [ Ankapobeny ][ (2) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Hanombohana ny tsikera hahitan'izay liana azy dia hasongadina aloha ny heverina fa tsi-fetezana anankiray eto @ blaogy.com. Inoana anefa fa tsy haharitra ela dia ho voavaha ity olana ity fa androany 28 febroary izy no apetraka eto fa @ fotoana hamakianao ity lahatsoratra ity mety ho efa milamina ny aminy.
Ny tsikera hafa hapetraka eto anefa, na dia mahakasika ny serasera.org aza, dia mety hahaliana izay malagasy liana @ PHP/HTML, Web, sy ny sisa satria mety hahitana toromarika ihany amin'ny fomba fiasana amin'ny Web.
Olana iray mitranga @ blaogy.org izy ity. Rehefa mijery lahatsoratra iray ianao dia ery ambonin'ny lisitry ny fanamarihana natao tamin'ilay lahatsoratra ery dia misy hoe "One response to ARTICLE_X", na tsy misy na anankiray na roapolo no isan'ny fanamarihana eo.





28/02/2007, 16:44
Misaotra tamin'ilay blaogy aloha fa tena ilaina mihitsy :-)
Efa ela aho no saika hanamboatra bug trackin system mba hahafahan'ny olona mametraka izay tsy mety... sy indrindra indrindra mba hotadidiko ny manitsy azy... fa tsy mety vita mihitsy.
Angamba ity blaogy ity hanampy be dia be.
14/03/2007, 23:30
Tsy dia ara-teknika loatra aloha fa momba ny votoatiny, nefa apetrako ihany : ao amin'ny namana.serasera.org : tsy tsaratsara kokoa ve raha "fanamarihana" no ilazàna ireo "commentaires" apetraka amin'ny sarin'olona fa tsy "tsikera" ?