Sera² Watch dia blaogy anankiray natao hanara-maso ny fivoaran'ny serasera.org.

Ahoana no fipetraky ny fanaraha-maso ny serasera.org?

Fanakianana sy fanehoana ny tsi-fetezana mety hitranga eo amin'ny serasera.org, indrindra ny blaogy.com sy/na blaogy.org. Noho ny fananana traikefa kely amin'ny taranja HTTP, XHTML, CSS, Javascript, PHP/MySQL, dia mba manolo-tena hitsikera ny serasera.org amin'ireo lafiny ireo.
Azo atao tsara ny manao izany @ forum sy ny toy izany fa mba te hiblaogy koa ny tena, amin'izay toy ny ho ahy manokana ireto tsikera ireto fa tsy voatery handany fotoana hamaky azy ny mpitantana ny sehatra.

Fa maninona ny serasera.org no arahi-maso kanefa ny tetikasa an'ny dotmg manokana aza tsy mandeha amin'ny laoniny?

Ny serasera.org dia fitaovana be mpampiasa, ary ny hangezany dia afaka ireharehan'ny malagasy. Inoako fa misy fiantraikany kokoa hanasoa ny malagasy hafa ny fitsikerako ny sehatra lehibe toy ny serasera.org toy izay ny fandaniako ny fotoanako amin'ny tetikasako izay vitsy no mety ho liana amin'izany.